Hankany amin'ny vontoatiny

Taonina

Avy amin'i Wikipedia
Vaingan-tsimenitra milanja iray taonina (1 000 kg) ao Leeds (Fanjakana Mitambatra).

Ny taonina dia ventin-drefin-danja mitovy amin' ny arivo kilôgrama (1 000 kg). Ny litera "t" no eva anehoana azy. Indraindray, mba hanavahana azy amin' ny karazana taonina hafa ampiasaina indrindra any Etazonia sy amin' ny sehatra ara-teknika sasany, dia antsoina hoe "taonina metrika" izy io. Tsy anisan' ny ventin-drefin-danja ao anatin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty (Système international d'unités - SI) izy io, saingy ekena ny fampiasana azy miaraka amin' ny SI noho ny maha zava-dehibe azy eo amin' ny lafiny fampiharina. Amin' ny hafanana 4°C, ny rano iray metatra toratelo dia manana lanja iray taonina.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]