Hankany amin'ny vontoatiny

Litatra

Avy amin'i Wikipedia
Iray litatra

Ny litatra dia ventin-drefim-piatiana na ventin-drefin-kadiry mitovy amin' ny desimetatra toratelo iray. Io famaritana avy amin' ny Birao Iraisam-Pirenena momba ny Lanja sy ny Refy (Bureau international des poids et mesures - BIPM) io dia efa tamin' ny taona 1964. Na dia tsy tafiditra ao anatin' ny Rafitra Iraisam-Pirenena momba ny Venty (Système international d'unités - SI) aza izy, dia eken' ny BIPM ny fampiasana ny litatra. Ny marika eken' io birao io dia ny litera l (l sora-madinika) sy ny litera L (L sora-baventy). Na izany aza, ny marika L dia tokony hampiasaina raha tsy hoe misy ny mety hampifangaroana azy amin' ny isa 1 eo amin' ny karazana endri-tsoratra sasany.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]