Hankany amin'ny vontoatiny

Papaveraceae

Avy amin'i Wikipedia
Papaver rhoeas (kôkilikô)

Ny Papaveraceae dia fianakavian-javamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny filaharana Ranunculales. Fianakaviana fahita amin' ny faritra maro eto amin' izao tontolo izao izy io, miparitaka any amin' ny faritra manana toetany antonony sy sobtrôpikaly. Saika ny karazana rehetra ao amin' ny Papaveraceae dia misy alkalôida, izay mety manapoizina, manana toetra mampitony saina na manamaivana fanaintainana, na azo ampiasaina ho zava-mahadomelina mihitsy aza. Tsy misy afa-tsy alkalôida kely dia kely ny vihim-boany ampiasaina amin' ny sakafo. Izy io dia ahitana antoko miisa manodidina 42 sy karazany 775 eo ho eo (fanasokajiana APG III). Amin' ny heviny tery (fanasokajiana APG sy fanasokajiana APG II) dia tsy ahitana afa-tsy antoko 26 miisa sy karazana 250 izy io, izany hoe tsy tafiditra ao ny zavamaniry ao amin' ny fianakaviana Fumariaceae sy Pteridophyllaceae. Ny karazana sasany fanantatry ny maro dia ny Argemone mexicana, ny Eschscholzia californica, ny Papaver rhoeas (kôkilikô), ary ny Papaver somniferum.

Fanasokajiana anatiny

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho zana-pianakaviana roa ny Papaveraceae, dia ny Fumarioideae sy ny Papaveroideae.

Fumarioideae

[hanova | hanova ny fango]

Mizara ho foko roa ny Fumarioideae: Hypecoeae sy Fumarieae (mizara hoe zana-poko roa: Corydalinae sy Fumariinae).

  • Hypecoeae Dumort.
  • Hypecoum L. – Mediterranean region to Mongolia and Western China.
  • Pteridophyllum Siebold & Zucc. – Japan
  • Fumarieae Dumort.
  • Corydalinae
  • Adlumia Raf. ex DC. – Eastern North America, Korea, China
  • Capnoides Mill. – Northern North America
  • Corydalis DC. nom. cons. – Eurasia, North America, East Africa
  • Dactylicapnos Wall. – Himalayas
  • Dicentra Bernh. nom. cons. – Eastern Asia, North America
  • Ehrendorferia Fukuhara & Lidén – Western United States
  • Ichtyoselmis Lidén & Fukuhara – China
  • Lamprocapnos Endl. – China, Korea
  • Fumariinae
  • Ceratocapnos Durieu – South west of Europe, north west of Africa
  • Cryptocapnos Rech.f. – Central Afghanistan
  • Cysticapnos Mill. – South Africa
  • Discocapnos Cham. & Schltdl. – South Africa
  • Fumaria L. – Mediterranean region, Himalayas, East Africa
  • Fumariola Korsh. – Central Asia
  • Platycapnos (DC.) Bernh. – Western Mediterranean region
  • Pseudofumaria Medik. – Italy, Balkans
  • Rupicapnos Pomel – North west Africa
  • Sarcocapnos DC. – Spain, Morocco, Algeria
  • Trigonocapnos Schltr. – South Africa

Papaveroideae

[hanova | hanova ny fango]
Eschscholzia californica
Argemone mexicana
Papaver somniferum

Mizara ho foko efatra ny Papaveroideae: Eschscholzieae, Chelidonieae, Platystemoneae, ary Papavereae.

  • Eschscholzieae Baill.
  • Dendromecon Benth. – California.
  • Eschscholzia Cham. – Western North America.
  • Hunnemannia Sweet – Eastern Mexico.
  • Chelidonieae Dumort.
  • Bocconia L. – Central and southern America, Antilles
  • Chelidonium L. – Eurasia
  • Coreanomecon Nakai – Korea
  • Dicranostigma Hook.f. & Thomson – Central Asia
  • Eomecon Hance – Eastern China
  • Glaucium Mill. – Europe to Central Asia
  • Hylomecon Maxim. – Eastern Asia
  • Macleaya R.Br. – Eastern Asia
  • Sanguinaria L. – Eastern North America
  • Stylophorum Nutt. – Eastern North America, Eastern Asia
  • Platystemoneae Spach
  • Hesperomecon Greene – Western North America
  • Meconella Nutt. – Western North America
  • Platystemon Benth. – Western North America
  • Papavereae Dumort.
  • Arctomecon Torr. & Frém. – Western North America
  • Argemone L. – North America, Antilles, central and southern America, Hawaii
  • Canbya Parry – Western North America
  • Cathcartia Hook.f. – China and the Himalayas, split from Meconopsis
  • Meconopsis Vig. – Central southern Asia, western Europe; paraphyletic
  • Papaver L. – Northern hemisphere, South Africa, Cape Verde; paraphyletic
  • Roemeria Medik. – Mediterranean region, south west Asia
  • Romneya Harv. – California
  • Stylomecon G. Taylor – California

Karazana misy eto Madagasikara

[hanova | hanova ny fango]

Ireto karazana ireto dia nampidirina teto Madagasikara fa tsy teratany:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]